Ezekiel 24:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahavetavetanao dia ao amin’ny fahalotoanao; satria nanadio anao Aho nefa tsy nadio ianao, koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoana intsony ianao raha tsy hanamparako ny fahatezerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Jerosalema, nandoto tena tamin’ny filibànao ianao. Te ho nanadio anao Aho, nefa tsy nety voadio ianao. Koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoanao ianao ambara-pialan’ny fahatezerako manontolo aminao.
Malagasy Bible 1865
Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahavetavetanao dia ao amin’ny fahalotoanao; satria nanadio anao Aho nefa tsy nadio ianao, koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoana intsony ianao raha tsy hanamparako ny fahatezerako.
malagasy
Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.