Ezekiel 24:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, indro, hesoriko amin’ny loza indray mamely monja ilay tian’ny masonao. Nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselaka monja, ilay fifalian’ny masoandro; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, halaiko tampoka tsy ho eo aminao ilay fifalian’ny masonao. Nefa tsy hitaraina na hitomany na handrotsa-dranomaso akory ianao.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, indro, hesoriko amin’ny loza indray mamely monja ilay tian’ny masonao. Nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
malagasy
Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.