Ezekiel 24:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan’ny herinareo, dia ilay tian’ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo izay nilaozanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan’ny herinareo, dia ilay tian’ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo izay nilaozanareo.
malagasy