Ezekiel 24:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanao tahaka ny nataoko ianareo: Tsy hanarona ny saokanareo ianareo, na hihinana ny sakafo aterin’ny olona;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany ianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanao tahaka an’i Ezekiela ianareo, tsy hisarona endrika ary tsy hihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.
Malagasy Bible 1865
Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanao tahaka ny nataoko ianareo: Tsy hanarona ny saokanareo ianareo, na hihinana ny sakafo aterin’ny olona;
malagasy
Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;