Ezekiel 24:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako aminy ny heriny, ny fifaliany, ny voninahiny, ilay tian’ny masony sy ilay tian’ny fanahiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako amin’izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan’ny masony, ary ny fanirian’ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan’ny voninahiny ary fifalian’ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako aminy ny heriny, ny fifaliany, ny voninahiny, ilay tian’ny masony sy ilay tian’ny fanahiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,