Ezekiel 24:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ny vavan’ilay mpandositra ny vavanao. Dia hiteny ianao ka tsy ho moana intsony, ary ho famantarana mahagaga aminy ianao; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, dia amin’ny fahatongavan’ilay mpandositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny ianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo ianao, dia ho fantatr’izy ireo fa Tompo Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Androtr’iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin’io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an’ny vahoakako, ka amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ny vavan’ilay mpandositra ny vavanao. Dia hiteny ianao ka tsy ho moana intsony, ary ho famantarana mahagaga aminy ianao; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
malagasy