Ezekiel 24:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Alao ny ondry voafantina dia tohofy kitay betsaka ao ambaniny ka angony eo ambaniny ny taolana, dia ampangotrahy tsara izany ka andrahoy ao ny taolany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay tsara indrindra amin’ny andian’ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin’ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ondry voafantina no akao ny hena. Ary tohofy kitay ao ambanin’ny vilany; dia ampangotrahy tsara ireo rehetra ireo, satria handrahoina ihany koa ny taolana.›
Malagasy Bible 1865
Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Alao ny ondry voafantina dia tohofy kitay betsaka ao ambaniny ka angony eo ambaniny ny taolana, dia ampangotrahy tsara izany ka andrahoy ao ny taolany.
malagasy
Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angòny eo ambaniny ny taolana]