Ezekiel 25:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsotrako amin’i Edoma ny tanako ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ny sabatra hatrany Dedana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsotrako amin’i Edoma ny tanako ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ny sabatra hatrany Dedana.
malagasy
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.