Ezekiel 25:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanan’ny Israely oloko no hoentiko mamaly an’i Edoma ka hamely azy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; dia ho fantany ny famaliako, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hanaovako famaliana an’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hankiniko amin’i Israely vahoakako ny famaizako an’ireo Edômita. Koa araka izay takin’ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanan’ny Israely oloko no hoentiko mamaly an’i Edoma ka hamely azy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; dia ho fantany ny famaliako, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.