Ezekiel 25:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny valifaty nataon’ny Filistina, eny, noho izy namalifaty sy ny fanaovana tsinontsinona tamin’ny fony rehetra ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,