Ezekiel 25:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatsotrako amin’ny Filistina ny tanako ka haringako ny Keretita ary holevoniko izay sisa any amoron-dranomasina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.
Malagasy Bible 1865
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatsotrako amin’ny Filistina ny tanako ka haringako ny Keretita ary holevoniko izay sisa any amoron-dranomasina;
malagasy
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.