Ezekiel 25:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Famaizana mirehitra no hoentiko manatanteraka famaliana lehibe aminy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Famaizana mangotraka no famaliana mahatsiravina hamelezako azy; ka rehefa hampihariko aminy tokoa izany, dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Famaizana mirehitra no hoentiko manatanteraka famaliana lehibe aminy. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.
malagasy
Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.