Ezekiel 25:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka lazao aminy hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenanao hoe: Hia! Akory izay! Rehefa nolotoina ny fitoerako masina ka nopotehina ny tanin’ny Israely, sady lasan-ko babo ny taranak’i Joda,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: ‹Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin’i Israely sady nentina ho babo ny olon’i Joda.
Malagasy Bible 1865
ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka lazao aminy hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenanao hoe: Hia! Akory izay! Rehefa nolotoina ny fitoerako masina ka nopotehina ny tanin’ny Israely, sady lasan-ko babo ny taranak’i Joda,
malagasy