Ezekiel 25:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia indro, hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia indro hatolotro hozakain’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, havelako halain’ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo: Hanorina toby eo amin’ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia indro, hatolotro ho fananan’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
malagasy
Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.