Ezekiel 25:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia indro, hatsotrako aminao ny tanako ka hatolotro ho babon’ny Jentilisa ianao; hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ny tany; eny, haringako ianao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa haneho ny heriko hamelezana anareo Aho, ary hanolotra anareo amin’ny firenen-kafa izay handroba anareo tanteraka. Hofoanako tsy ho firenena intsony ianareo, tsy hanan-tany intsony fa haringako tanteraka. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »
Malagasy Bible 1865
Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia indro, hatsotrako aminao ny tanako ka hatolotro ho babon’ny Jentilisa* ianao; hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ny tany; eny, haringako ianao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
malagasy
Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.