Ezekiel 26:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny hamaroan’ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesy fitondra miady, rehefa miditra eo amin’ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ny tanàna izay voabanga izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy erany ny habetsahan’ny soavaliny ka ho tototry ny vovo-taniny ianao; ary ho azon’ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly, sy ny kodiarana aman-kalesy, dia hihozongozona ny mandanao, rehefa miditra amin’ny vavahadinao izy, toy ny fiditry ny olona amin’ny tanàna voabanga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho rakotry ny vovoka indaosin’ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon’ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin’ny manda voabanga no hidiran’ny fahavalo eo amin’ny vavahadinao.
Malagasy Bible 1865
Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny hamaroan’ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesy fitondra miady, rehefa miditra eo amin’ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ny tanàna izay voabanga izy.
malagasy