Ezekiel 26:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Tiro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary feno famonoana ao anatinao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Tira: Ny fikotrokotroky ny fianjeranao, rehefa hidridridridry ny maratra eo aminao, rehefa handripaka, ny vonoana eo afovoanao, moa va tsy hihorohoroan’ny nosy izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny tanànan’i Tiro hoe: ‹Ny mponina any amoron-tsiraka lavitra any dia hangovitra raha mandre ny firodanao sy ny tolokon’ireo naratra tamin’ny fandringanana tao anatinao.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Tiro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary feno famonoana ao anatinao?
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?