Ezekiel 26:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ireo andrianan’ny ranomasina rehetra ka hanala ny akanjobe sy hanaisotra ny fitafiany misoratsoratra; hovitra no hitafiany ka hipetraka amin’ny tany izy; hangovitra isaky ny indray mipy maso izy ary ho very hevitra noho ny aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany ireo andrian’ny ranomasina rehetra; hanesotra ny lambany, hanala ny fitafiany misy amborodao; hitafy fangorohoroana, hitombina amin’ny tany, hangovitra isan-tapak’andro, ary ho talanjona noho ny aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin’ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra, satria ory loatra noho ny manjo anao.
Malagasy Bible 1865
Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ireo andrianan’ny ranomasina rehetra ka hanala ny akanjobe sy hanaisotra ny fitafiany misoratsoratra; hovitra no hitafiany ka hipetraka amin’ny tany izy; hangovitra isaky ny indray mipy maso izy ary ho very hevitra noho ny aminao.
malagasy