Ezekiel 26:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanao hira fisaonana ny aminao izy ka hiteny aminao hoe: Indrisy! Rava ianao, ry ilay nonenan’ny mpandeha an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ny ranomasina, dia izy mbamin’ny mponina ao izay nampihorohoro ny mponina rehetra eo aminy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao hira falahelovana anao izy, ka hanao aminao hoe: Endrey izao faharavanao izao, ianao ilay nitsangana avy amin’ny ranomasina, tanàna malaza, nahery teo amin’ny ranomasina, ianao mbamin’ny mponina teo aminao, nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny ny mponina rehetra ao amin’ny ranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hihira izao hira fisaonana izao ny aminao izy hoe: Indrisy! Rava tokoa ilay tanàna malaza, fongotra teo an-dranomasina izy. Nahery teo an-dranomasina izy sy ny mponiny ka nampihorohoro ny besinimaro.
Malagasy Bible 1865
Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanao hira fisaonana ny aminao izy ka hiteny aminao hoe: Indrisy! Rava ianao, ry ilay nonenan’ny mpandeha an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ny ranomasina, dia izy mbamin’ny mponina ao izay nampihorohoro ny mponina rehetra eo aminy!
malagasy