Ezekiel 26:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, noho ny nandatsan’i Tiro an’i Jerosalema hoe: Hia! Akory izay! Potika ilay vavahadin’ny firenena! Mba anjarako kosa izao ka ho feno aho, fa izy kosa dia ho foana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema nataony hoe: «Hia! Hia! vaky ilay vavahadin’ny firenena! atỳ amiko indray no todihin’ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, nandatsa an’i Jerosalema ny mponin’i Tiro ka manao hoe: ‹Hià! Sakoa izay! Potika ilay tanàna fandalovan’ny olona rehetra! Isika indray izao no hangoron-karena satria rava i Jerosalema!›
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, noho ny nandatsan’i Tiro an’i Jerosalema hoe: Hia! Akory izay! Potika ilay vavahadin’ny firenena! Mba anjarako kosa izao ka ho feno aho, fa izy kosa dia ho foana!
malagasy
Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,