Ezekiel 26:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, entiko avy any avaratra ho any Tiro i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, andrianan’ny andriana, mitondra soavaly, kalesy fitondra miady, mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Hoentiko avy any avaratra hamely anao, ry Tiro, ny mpanjaka mahery indrindra, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Ho avy hanafika anao izy, miaraka amin’ny soavaly sy kalesy ary mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny miaramila betsaka navoriny.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, entiko avy any avaratra ho any Tiro i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, andrianan’ny andriana, mitondra soavaly, kalesy fitondra miady, mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
malagasy