Ezekiel 26:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vohitra miankina aminao, izay eny an-tanety, dia hovonoiny amin’ny sabatra; hanandratra manda fanafihana sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haringany amin’ny sabatra ireo tanàna kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka. Hamelezana anao dia handavaka hady sy hanangana tovon-tany ireo fahavalonao sady hampijoro rindrin’ampinga hiarovan-tena.
Malagasy Bible 1865
Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vohitra miankina aminao, izay eny an-tanety, dia hovonoiny amin’ny sabatra; hanandratra manda fanafihana sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
malagasy
Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]