Ezekiel 26:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanoto ny mandanao amin’ny lohondry vy fandravana izy sady horavany amin’ny fiadiany ny tilikambo fiambenanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin’ny mandanao, ary handrava ny tilikambonao amin’ny faraingony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homontsaniny amin’ny kanontabe ny mandanao, ary horavany amin’ny lapika ny tilikambonao.
Malagasy Bible 1865
Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanoto ny mandanao amin’ny lohondry vy fandravana izy sady horavany amin’ny fiadiany ny tilikambo fiambenanao.
malagasy
Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.[Heb. sabany]