Ezekiel 27:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny avy any Persia sy Loda ary Pota dia isan’ny miaramila mpiadinao; nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na Persa, na Lidianina, na Libianina, dia samy isan’ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao; nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman’ampinga, nampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao erỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona avy any Persia sy Loda ary Ponto no miaramila nanompo tao amin’ny tafikao. Nahantony tao anatin’ny tobinao ny ampingany sy ny fiarovan-dohany, ka nanomezany laza anao izany.
Malagasy Bible 1865
Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny avy any Persia sy Loda ary Pota dia isan’ny miaramila mpiadinao; nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
malagasy
Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[Heb. Loda][Heb. Pota]