Ezekiel 27:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy avy any Gamada no teny amin’ny tilikambo fiambenanao; ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; ireny no nahatonga ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin’ny tilikambonao; nahantony teo amin’ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vatan-dehilahy avy any Arvada no niambina ny mandanao niaraka tamin’ny miaramilanao, ary olona avy any Gamada no niaro ny tilikambonao. Nanantona ny ampingany teny amin’ny manda manodidina anao izy. Ireo rehetra ireo no nahatonga anao ho tsara tarehy fatratra›. »
Malagasy Bible 1865
Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy avy any Gamada no teny amin’ny tilikambo fiambenanao; ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; ireny no nahatonga ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.
malagasy