Ezekiel 27:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny terak’i Dedana dia nifampivarotra taminao; ny varotra avy amin’ny nosy marobe dia nandalo teto aminao ka vangy ivoara sy hazomainty no natakalo ny entanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny terak’i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.
Malagasy Bible 1865
Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny terak’i Dedana dia nifampivarotra taminao; ny varotra avy amin’ny nosy marobe dia nandalo teto aminao ka vangy ivoara sy hazomainty no natakalo ny entanao.
malagasy
Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]