Ezekiel 27:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Joda sy ny tanin’ny Israely dia nifampivarotra taminao ka varimbazaha avy tany Minita, mofomamy, tantely, diloilo ary balisama no natakalony ny varotrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifandray ara-barotra taminao koa ny vahoakan’i Joda sy i Israely ka varimbazaha avy any Minita sy ampemba sy tantely sy diloilo ary balsamo no natolony ho takalon’ny entanao.
Malagasy Bible 1865
Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Joda sy ny tanin’ny Israely dia nifampivarotra taminao ka varimbazaha avy tany Minita, mofomamy, tantely, diloilo ary balisama no natakalony ny varotrao.
malagasy
Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.