Ezekiel 27:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Vedana koa sy i Javana dia nitondra vy voatefy avy any Ozala, kasia ary veromanitra ho takalon’ny varotrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Vedàna sy i Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy ao an-tanànan’i Ozala ny mponin’i Vedàna sy i Javàna no manolotra ny vy voatefy sy ny kanela ary ny veromanitra ho takalon’ny entanao.
Malagasy Bible 1865
Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Vedana koa sy i Javana dia nitondra vy voatefy avy any Ozala, kasia ary veromanitra ho takalon’ny varotrao.
malagasy
Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.[Na: vy mamirapiratra][Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian'ny varotrao]