Ezekiel 27:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Rama dia nifampivarotra taminao ka zavamanitra tsara indrindra sy vatosoa samihafa karazana ary volamena no noentiny natakalo ny entanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin’ny volamena koa no nandoavany ny vidin’ny entanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpivarotra avy any Sebà sy Rahemà ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon’ny entanao.
Malagasy Bible 1865
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Rama dia nifampivarotra taminao ka zavamanitra tsara indrindra sy vatosoa samihafa karazana ary volamena no noentiny natakalo ny entanao.
malagasy
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.