Ezekiel 27:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no mpivaro-mandeha nifampivarotra taminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra: Akanjobe fanao ivelany manga sy samihafa soratra, tady voarandrana mafy, fitafiana soa, izany no ao amin’ny tsenanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
zavatra fanao ravaka no nataon’ireo varotra taminao; kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amborodao volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivarotra fitafiana mihaja taminao izy, ka entiny eny an-tsenanao ny fitafiana miloko volomparasy sy ny lamba vita peta-kofehy, karipetra misoratsoratra ary tady voarandrana mafy.
Malagasy Bible 1865
Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no mpivaro-mandeha nifampivarotra taminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra: Akanjobe fanao ivelany manga sy samihafa soratra, tady voarandrana mafy, fitafiana soa, izany no ao amin’ny tsenanao.
malagasy
Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]