Ezekiel 27:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka teneno aminy hoe: E, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, mpivaro-mandeha ho an’ny firenena, ho any amin’ny nosy maro samihafa: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, ry Tiro, ianao no efa niteny hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka lazao amin’i Tira hoe: Ianao ry ilay mitoetra eo amin’ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin’ny firenena, any amin’ny nosy maro, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tira ô, ianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin’ny hatsaran-tarehy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay miorina eo amin’ny vava-ranomasina, ary manao varotra amin’ny firenena maro eny amoron-dranomasina. Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ry Tiro ô, Ianao dia nilaza ny tenanao ho sambo tsara tarehy fatratra!
Malagasy Bible 1865
ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka teneno aminy hoe: E, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, mpivaro-mandeha ho an’ny firenena, ho any amin’ny nosy maro samihafa: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, ry Tiro, ianao no efa niteny hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
malagasy