Ezekiel 27:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha midradradradra izy dia manao hira fisaonana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro, dia tahaka ilay mangina ao ampovoan’ny ranomasina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao anatin’ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao, ka hitomany anao hanao hoe: Iza moa no tahaka an’i Tira, tahaka an’ilay tonga mangina, ao afovoan’ny ranomasina?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’alahelo no niventesany hiram-palahelovana ny aminao, dia hiram-pisaonana manao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro izay tonga mangina ankehitriny eo anivon’ny ranomasina?
Malagasy Bible 1865
Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha midradradradra izy dia manao hira fisaonana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro, dia tahaka ilay mangina ao ampovoan’ny ranomasina?
malagasy
Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina?