Ezekiel 27:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entam-barotrao dia nahatretrika firenena maro ianao; tamin’ny haben’ny harenanao sy ny entana notaterinao dia nampanankarena ny mpanjakan’ny tany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao, nahavoky firenena maro ianao; amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao, nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga avy any an-dranomasina any ianao ka nampidinina ny entam-barotrao, dia firenena maro no voavatsy tamin’izany. Ny habetsahan’ny harenao aman’entanao no nampanan-karena ireo mpanjakan’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entam-barotrao dia nahatretrika firenena maro ianao; tamin’ny haben’ny harenanao sy ny entana notaterinao dia nampanankarena ny mpanjakan’ny tany ianao.
malagasy
Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.