Ezekiel 27:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misiotsioka ny mpivaro-mandeha amin’ny firenena noho ny aminao; tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa misitrîsitra aminao. Zary zava-mahatsiravina ianao; ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpivarotry ny firenen-kafa dia misiotsioka talanjona ny aminao, satria tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay.»
Malagasy Bible 1865
Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misiotsioka ny mpivaro-mandeha amin’ny firenena noho ny aminao; tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay!
malagasy
Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay