Ezekiel 28:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny fahafatesan’ny tsy voafora no hahafatesanao amin’ny tanan’ny fahavalo. Fa Izaho no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao, amin’ny tanan’ny hafa firenena; fa Izaho niteny, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fahafatesana mahafa-baràka toy ny an’ny olona tsy voafora no hahafaty anao eo an-tanan’ny vahiny. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany›. »
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny fahafatesan’ny tsy voafora no hahafatesanao amin’ny tanan’ny fahavalo. Fa Izaho no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.