Ezekiel 28:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ry ilay nanao ny rafitra tonga lafatra sy fakan-tahaka, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ianao no tampon-dohan’ny fahalavorariana, feno fahendrena, tapitra ohatra amin’ny hatsaran-tarehy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro. Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Modely tonga lafatra ianao satria feno fahendrena sady tsara tarehy aoka izany.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ry ilay nanao ny rafitra tonga lafatra sy fakan-tahaka, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
malagasy
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]