Ezekiel 28:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao ka nanota ianao; dia nolotoiko ianao ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, ka tsy eo amin’ny vato mirehitra intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota ianao ka nariako hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan’ny vato mirehitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fandrosoan’ny varotrao no nampihanaka ny herisetra teo anivonao sy nampanota anao. Koa dia aetriko ho sarambabembahoaka ianao ary roahiko tsy ho eo amin’ilay tendrombohitr’Andriamanitra. Ny kerobima mpiaro no mandroaka anao lavitr’ireo vato manjelanjelatra.
Malagasy Bible 1865
Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao ka nanota ianao; dia nolotoiko ianao ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, ka tsy eo amin’ny vato mirehitra intsony.
malagasy