Ezekiel 28:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; nosimbanao ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao; nazerako eny amin’ny tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao, ka nazerako amin’ny tany ianao, sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hatsaran-tarehinao no nampiavonavona ny fonao, ary ny fahombiazanao mamirapiratra no nahasimba ny fahendrenao. Dia azerako amin’ny tany ianao ary atolotro hampitalanjona ireo mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; nosimbanao ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao; nazerako eny amin’ny tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka.
malagasy
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,