Ezekiel 28:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny haben’ny helokao tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao dia voalotonao ny fitoeranao masina; koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ny tany ianao eo imason’izay rehetra mijery anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fitomboan’ny helokao, tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao Aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjarîko lavenona eny ambonin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra nahita anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maro tokoa ny helokao satria tsifahamarinana no nitondranao ny varotrao ka voazimbazimbanao ireo toeram-pivavahanao. Izany no andrehetako afo ao an-tanànanao handevona anao. Izay rehetra hijery anao dia hahita fa hataoko tonga lavenona ianao eto an-tany.
Malagasy Bible 1865
Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny haben’ny helokao tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao dia voalotonao ny fitoeranao masina; koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ny tany ianao eo imason’izay rehetra mijery anao.
malagasy