Ezekiel 28:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, lazao amin’ny mpanapaka an’i Tiro hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria miavonavona ny fonao ka hoy ianao hoe: Mba andriamanitra koa aho; eto amin’ny fitoeran’ny andriamanitra no ipetrahako, eto ampovoan’ny ranomasina! Nefa olona ihany ianao fa tsy andriamanitra tsinona. Na dia noheverinao ho toy ny fon’ny andriamanitra aza ny fonao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ny mpanjakan’i Tiro fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Fo miavonavona no nilazanao ny tenanao ho andriamanitra sady mipetraka amina sezafiandrianana mendrika an’ireo andriamanitra, dia sezafiandrianana eo anivon-dranomasina. Nihevi-tena ho mitovy amin’ireo andriamanitra ianao nefa olombelona ihany fa tsy andriamanitra akory.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, lazao amin’ny mpanapaka an’i Tiro hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria miavonavona ny fonao ka hoy ianao hoe: Mba andriamanitra koa aho; eto amin’ny fitoeran’ny andriamanitra no ipetrahako, eto ampovoan’ny ranomasina! Nefa olona ihany ianao fa tsy andriamanitra tsinona. Na dia noheverinao ho toy ny fon’ny andriamanitra aza ny fonao,
malagasy
Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,