Ezekiel 28:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Sidona! Ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin’ny ataoko aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminao Aho, ry Sidona; hanome voninahitra ny Tenako eo aminao Aho. Ho fantatry ny olona, fa Iaveh Aho, rehefa manatanteraka fitsarana momba azy Aho, sy manamasina ny Tenako eo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely anao Aho, ry Tsidôna, ary homem-boninahitra eo afovoanao. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO, rehefa hampihariko aminao ny didim-pitsarako ary hasehoko eo aminao ny maha Andriamanitra masina Ahy.
Malagasy Bible 1865
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Sidona! Ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin’ny ataoko aminy.
malagasy