Ezekiel 28:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny rehetra eny; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahatonga pesta hamely azy Aho; ary hisy ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eo aminy ireo voavono, matin’ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Halefako hamely anao ny areti-mandringana, ary handriaka eny an-dalambenao ny ra. Hananganana ady hatraiza hatraiza ianao, ka hiampatrampatra ao aminao ny fatin’ny mponina. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO›. »
Malagasy Bible 1865
Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny rehetra eny; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
malagasy