Ezekiel 28:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa angoniko avy any amin’ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’Israely dia hiseho ho masina eo imason’ny firenena Aho amin’ny ataoko aminy ka honina any amin’ny taniny izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa manangona ny taranak’i Israely, avy any amin’ny firenena nampielezako azy Aho, dia hanamasina ny Tenako eo amin’izy ireo, eo imason’ny firenena; ka honina eo amin’ny taniny, izay nomeko an’i Jakôba, mpanompoko, izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin’ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason’ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin’ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an’i Jakôba mpanompoko.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa angoniko avy any amin’ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’Israely dia hiseho ho masina eo imason’ny firenena Aho amin’ny ataoko aminy ka honina any amin’ny taniny izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.