Ezekiel 28:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia handry fehizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fehizay izy amin’ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Honina ao izy tsy amin’ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo, rehefa vitako ny fitsarana an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»
Malagasy Bible 1865
Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia handry fehizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fehizay izy amin’ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
malagasy