Ezekiel 28:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’izay mamono anao hoe: Mba andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy andriamanitra tsinona, rehefa eo an-tanan’izay manatrabaka anao
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao va mbola hilaza hoe: «Andriamanitra aho,» eo anatrehan’ny mpamono anao; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tanan’izay mamono anao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola sahy hihambo ho andriamanitra ve ianao eo anatrehan’izay hamono hahafaty anao? Olombelona ihany ianao fa tsy andriamanitra, rehefa mby eo an-tanan’izay hamono hahafaty anao!
Malagasy Bible 1865
Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’izay mamono anao hoe: Mba andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy andriamanitra tsinona, rehefa eo an-tanan’izay manatrabaka anao
malagasy
Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao