Ezekiel 29:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tany Ejipta dia hataoko tany rava ao amin’ny tany rava, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, efapolo taona. Eny, haeliko ho any amin’ny firenena any ny Ejiptiana ary hahahako any amin’ny tany samihafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Ejipta, hataoko tany foana eo amin’ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan’ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina, ary hahahako any amin’ny tany samihafa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataoko tany lao dia lao i Ejipta; ary ho rava dia ho rava ireo tanànany. Haharitra efapolo taona izany mba hanereko ny Ejiptianina hiely any amin’ny firenen-kafa sy hiparitaka any an-tany hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tany Ejipta dia hataoko tany rava ao amin’ny tany rava, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, efapolo taona. Eny, haeliko ho any amin’ny firenena any ny Ejiptiana ary hahahako any amin’ny tany samihafa.
malagasy
Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.[Heb. rava ao amin'ny tany rava][Heb. lao amin'ny tanàna lao]