Ezekiel 29:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haveriko amin’ny toerany eo aloha indray izy ka hampodiko any amin’ny tany Patrosa, tany niaviany, izy, ary any izy dia ho fanjakana ambany laharana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin’ny tany Patrôsa, any amin’ny tany niaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatsahatro izay manjo ny Ejiptianina, ka haveriko any Ejipta ambony tany niaviany izy, ary hanorina fanjakana osaosa any;
Malagasy Bible 1865
Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haveriko amin’ny toerany eo aloha indray izy ka hampodiko any amin’ny tany Patrosa, tany niaviany, izy, ary any izy dia ho fanjakana ambany laharana;
malagasy
Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;