Ezekiel 29:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tsy ho tokin’ny taranak’Israely intsony izy ka ho fampahatsiarovana ny helony amin’ny andehanan’ireo hanaraka azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho tokin’ny Israelita intsony i Ejipta, ka tsy hampanao heloka azy hiantso vonjy any aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tsy ho tokin’ny taranak’Israely intsony izy ka ho fampahatsiarovana ny helony amin’ny andehanan’ireo hanaraka azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.