Ezekiel 29:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-27, volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-27 taorian’ny fahababoana, nony andro voalohan’ny volana voalohany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
malagasy
[Ny babo azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: