Ezekiel 29:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny miaramilany tamin’ny namelezany an’i Tiro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tiro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ny namelezany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, nanery ny tafiny hanao ezaka lehibe hamelezana ny tanànan’i Tiro i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, hany ka efa sola avokoa ny lohan’ny miaramilany sady rotidrotika ny sorony. Nefa na izy mpanjaka na ireo miaramilany dia samy tsy nahita tombontsoa tamin’i Tiro ho setrin’ny famelezany azy.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny miaramilany tamin’ny namelezany an’i Tiro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tiro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ny namelezany azy.
malagasy
Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.